Zaikabe 2019

Rieux ny, 2 jolay 2018 

Ho an’ny birao foibe, 
Ho an’ny Faritany, ny Tafo sy ny fiaraha-mivavaka FPMA, 
Ho an’ny Sampana Sekoly Alahady any amin’ny faritany FPMA, 
Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA, 

Faly miarahaba anareo, ary koa manonona ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo tsirairay avy. 
Araka ny efa voalaza dia hotanterahina ny 26-27-28 aprily 2019 ny Zaikabe nasionaly Sekoly Alahady 2019 ao amin’ny Institut Saint-Christophe MASSEUBE – 32140 (Le Gers) 

Ny loha-hevitra amin’izany dia : 
« fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. ». 
2 Petera 3 : 18a 
« Mais grandissez dans la grâce et dans la connaissance de notre Seigneur et Sauveur Jésus-Christ. » 
2 Pierre 3 :18 Louis Second 21 

Koa mampilaza sy manentana ny birao nasionaly fa misokatra ny fifaninanana logo sy hira faneva . 
Ny fandaminana dia toy izao: 
– ny farany handefasana ny logo dia ny 31 desambra 2018 
– ny farany handefasana ny hira dia ny 31 desambra 2018 
– Ny logo sy ny hira faneva dia tokony hifanentana amin’ny loha-hevitra noraisina 
– Marihina fa fifaninana roa tsy mifampiankina ireo. Ny mpianatra sy ny raiamandrenin’ny mpianatra sekoly alahady ihany no afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana hira. Ny mahakasika ny logo kosa dia ny mpianatra ihany.
– Ny hira dia tsy maintsy amin’ny teny malagasy, ary alefa amin’ny format MP3 miaraka amin’ny tonony amin’ny teny malagasy sy dikan-teny frantsay. 
– Tsy soratana eo amin’ny hira na logo ny anaran’ny mpamorona fa amin’ny mailaka manolotra azy. 
– Ny adresse andefasana azy ireo dia sekolyalahady.fpma@gmail.com 

Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia hiangaviana handefa mailaka amin’ny sekolyalahady.fpma@gmail.com 
Aza misalasala ihany koa mitsidika ny tranonkala na site internet https://sa.fpma.church 

Miangavy antsika rehetra samy hitondra am-bavaka ny fotoana sy ny fikarakarana rehetra. Dia mirary fialan-tsasatra mahafinaritra eo ambanin’ny fahasoavan’ny Tompo avokoa. 

Amin’ny anaran’ny birao nasionaly 
Nancy Harvel 
Ny mpitandrina mpiahy 
Emilienne Rasehenoarimanana 

décembre 26, 2018

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *